FITAOVANA HOAN’NY RF2

Ny Alakamisy faha 30 Aogositra 2018 lasa teo no notoloran’ny Kaominina
Fitaovana ho fanadiovana ny tanana ireo Mpiandraikitra ny Rafitra Fidiovana – Fanadiovana
 
Fitaovana izay ahitana : Sarety, Daba, Kifafa, Angady, Sobika, ary aron’ankanjo enti-miasa hoan’ireo olona misehatra amin’izany
 
Ireo fampitaoavana ireo no azo dia vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny Fitondrana Britanika
Izay amin’ny alalan’ny Tetik’asa WASUP
 
Nigoka izany tombontsoa izany fokontany miisa 7 eto anivon’ny Kaominina, dia ny FKT Antsinanantsena
FKT Andrefantsena, FKT Ambohinaorina, FKT Soanidanana, FKT Tsarafara, FKT Antsahatsiresy ary ny FKT Ambodivona