Fiofanana mahakasika ny fandrafetana ny teti-bola

Fiofanana mahakasika ny fandrafetana ny teti-bola sy ny fandaniam-bola ary ny fandaharan’asa ara-bola ny Kaominina

Notanterahina taty amin’ny Renivohitry ny Distrika Avaradrano, teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny fampiofanana ireo Ben’ny tanana sy ny mpitahiry vola Kaominaly, fiofanana izay naharitra 05 andro, ka tonga nampiofana ny avy amin’ny « DGB, DGI, DGT, » avy amin’ny Min MFB,
Fantatra fa Kaominina 09 avy aty amin’ny Distrika Avaradrano (A) no nandray anjara tamin’izany, nahitana ny Kaominina :
– Sabotsy Namehana
– Ankadikely Ilafy
– Talata Volonondry
– Ambohimanga Rova
– Fieferana
– Viliahazo
– Manandriana
– Anosy avaratra
– Ambohitrabiby