Fikambanan’ny Taxi Avotra Sabotsy Namehana
Ny Alakamisy faha 24 Janoary 2019 lasa teo no natao Fifampiarahabana nahatratra ny taona 2019 teo amin’ny Fikambanan’ny Taxi Avotra eto Sabotsy Namehana, ary nanokafana ny fankalazana ny faha 15 taona Fikambanana.
Tonga nanome voninahitra an’izany fankalazana izany ny Ben’ny Tanana Ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA, Filohan’ny Fikambanan’ny Taxi Avotra eto Sabotsy Namehana, Andriamatoa RAJAONARIMANJATOARIVONY Faliarison, notronin’ireo mpikambana rehetra.