FIFIDIANANA LOHOLONA
Tonga namita ny adidiny amin’ny maha mpifidy vaventy azy eto amin’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano azy Andriamatoa Ben’ny ny Kaominina Sabotsy Namehana, Avotraina ANDRIAMOSA, sy ireo Mpanolontsain’ny Tanana.
Fantatra, fa navitrika tokoa ireto mpifidy vaventy aty amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano namonjy ny biraom-pifidianana namita ny adidiny.
Marihina fa nizotra tamim-pilaminana ny fifidiana araka ny filazan Ramatoa Filohan’ny Biraom-pifidianana azy.
Isaorana manokana, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ary ireo Polisy Kaominaly izay tsy nitandro hasasarana amin’ny fitandoana ny filaminana.