FIFANINANA BAOLINA KITRA SOKAJY VEHIVAVY LALAOVIN’OLONA ENINA

FIFANINANA BAOLINA KITRA SOKAJY VEHIVAVY LALAOVIN’OLONA ENINA

Nisy fifaninana bolona kitra sokajy vehivavy isam-pokontany, lalaovin’olona 6 izay natao teny Antsofonondry, Kianja Synthetique
Fifaninana efa nanomboka 1 volana lasa izay, ka notanterahina ny alahady 20 Oktobra lasa teo ny famaranana
Izay nifandonan’ny Fokontany Soaniedanana sy ny Fokontany Ambonaorina

Amin’ny ankapobeny, dia niady ary nifandanja ny lalao, samy nampiseho ny fahaiza-manaony avy ny roa tonta
saingy nanatombo ny Ekipan’i Petit Kambana avy eny Ambonoarona amin’ny baolina maty
Koa dia nisaraka tamin’ny isa 2-1 ny laolao.

Marihina fa FKT 12 ato anatin’ny Kaominina Sabotsy Namehana no nandray anjara.

Maro no loka izay natolotra tamin’izany, nahazo avokoa hatramin’ny laharana fahatelo,
Ka ny loka azony ny voalohany dia ONDRY MIFAHY, miampy Amboara sy medaly volamena ary lelavola
Ny loka ny faharoa dia Amboara sy Medaly volafotsy ary lelavola
Ny loka azony fahatelo dia ny medaly alimo sy lelavola

Anisan’ny nanao tantsoroka tamin’ny fanatontosana izao fifaninana baolina kitra izao Andriamatoa Avotraiana ANDRIAMOSA
Izay ben’ny tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana teo aloha.