FIDINANA IFOTONY
Nidina ifotony nanantona ny vahoaka ny avy ao amin’ny Ivon-ketra Avaradrano A, izay notarihan’ny Chef de Centre Fiscal sy ireo mpiara-miasa aminy, nanatanteraka varavarana misokatra mahakasika ny fandoavan-ketra teto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, izay nahitana ireo solotena avy amin’ny Kaominina manodidina.
Nisy fampahafantarana ny fiovana raiketin’ny LFI 2023 mahakasika ny rafitra arahina momba ny fandoavan-ketra CPF sy ny lalàna mifehy ny hetra (code des impôts) CDI ary ny famaliana ireo fanontaniana mila valiny mahakasika izany hetra izany.
Ny tanjona dia ho fanatsarana ny fampidiram-bola eo anivon’ny Kaominina sy ny Fanjakana foibe ka hinoana fa hitondra ainga vao sy hamparisika ireo olona manao asa fivelomana ato anatin’ny Distrika Avaradrano izany.