FIADIANA NY TOMPONDAKAN’NY FAHA 5 TAONA MPI.KI.TRA
FIDIANA NY TOMPONDAKAN’NY FAHA 5 TAONA MPI.KI.TRA
Nofaranana tamin’ny Alahady 24 Jolay 2016 lasa ny Fidiana izay ho tompondakan’ny Tsingerin-taona faha 5 ny MPI . KI . TRA ( MPILALAO KITRA TRANAINY),
Fikambanan’ny Mpilalao Kitra Tranainy, miorina eto Kaominina Sabotsy Namehana, teraka tamin’ny taona 2011. Marihina hatrany fa efa Filoha miisa 2 no nitantana ity Fikambanana ity hatr’izay 5 taona nifanesy izay
Raha hiverena kely ny ady baolina kitra dia nivoka ho mpandresy ny Fokontany Antsinanantsena, raha nifandona tamin’ny Fokontany Amorondria. Nifandanja ny lalao satria samy nisaraka 0 sy 0 ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalana, izany dia nitarika nankany amin’ny falavam-potoana, nohon’ny traikefa efa nanan’ny mpifaninana tsirairay anefa, dia nisaraka 1 noho 1 indray ny roa tonta, hany ka nofaranana tamin’ny » Tire au but » ny lalao.
Teo no nitsimbadika ny lalao, satria nisy baolina roa tsy tafiditra ny Fokontany Amorondria, raha nahatafiditra avokoa ny daka nataony ny mpilalao ny Fokontany Antsinanantsena. Izany dia nitarika ireto farany ho TOMPONDAKAN’NY FAHA 5 TAONA MPI.KI.TRA.
Tsara ny milaza etoana fa ity ady baolina kitra ity no tanteraka dia nisy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny Kaomina Sabotsy NAmehana sy ny Fikambanana Mpikitra,
Tonga nanolotra ny Amboara sy nankahery ny mpilalao ny Ben’ny Tanana Kaominina, nahatonga solon-tena ny Polisy Nasionaly, ny Lehiben’ny Borigady ny Zandarimaria eto Sabotsy Namehana.