FIARAHA-MIASA(3P)

FIFANOMEZAN-TANANA

Misy ny fiaraha-miasa 3P (Partenariat Public Privée) izay niarahan’ny ONG DIRECT AID sy ny CISCO Antananarivo Avaradrano ary nyKaominina Sabotsy Namehana, tamin’ny fanolorana fanampiana ara-tsakafo hoan’ireo mpianatra miisa 300 mianadahy ao amin’ny EPP Antsahatsiresy ny Alakamisy 16 Martsa 2017 teo

Tonga nanotrotrona sy nanolotra izany fifanomezan-tanana izany Andriamatoa ALLAOUI Benaissa, Filoha Tale Jeneraly ny ONG DIRECT AID sy ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA, ary ny lehiben’ny CISCO Avaradrano Andriamatoa RAKOTOMALALA Derandriamisaina Manjatosoa.

Izany fanomezana izany dia nahitana KOBA PROBO milanja 500 kilao, Siramamy 50 kilao, ronono 96 boaty, fitaovam-pihinanana (lovia 300 isa ,sotro fihinanana 300 isa, vilany 3 , fatapera, sns ..) miampy arina fandrehitra (Charbon)

 

Ankoatr’ireo voatanisa ambony ireo, mbola nisy ihany koa ny fanomezaa fanitso, biriky, entina hanantsarana sy hanavoazana ity « Cantine Scolaire » eto ao amin’ny EPP Antsahatsiresy ity

Fisaorana feno, no natolot’Andriamatoa Ben’ny tanana hoan’ny ONG Direct Aid noho izao fifanomezan-tanana ho fitsinjovana ny taranaka Malagasy izao

Marihina hatrany moa fa tsy mitsahatra manao asa soa ny ONG Direct Aid