FETIN’NY RAY 2018
Ho mariky ny fankalazana ny FETIN’NY RAY 2018, dia tonga niarahaba an’Andriamatoa Ben’ny Tanàna Avotraina Andriamosa ny Fikambanana AVOTRAINA eto Sabotsy Namehana.
Raha tsiahivina moa ity Fikambanana AVOTRAINA ity dia Fikambanana miasa amin’ny fanasoavana ny Mpiara-belona amin’ny lafiny Sosialy, izay miorina eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, ary vao tsy ela akory izay no nanatanterahan’izy ireo ny famorana faobe izay tan-tsoroka niarahana tamin’ireo Mpiray Ombin’antoka, sy ny Kaominina Sabotsy Namehana ho fanampiana ireo Ray aman-dreny manan-janaka lahy tokony hoforana.