Fanombohana Ofisialy ny famolavolana ny Drafitra Fampandrosoana ny Kaominina.

Notanterahana androany 12 Novambra 2020 tao amin’ny Espace « Etoiles des Neiges », Ampanarivoana Sabotsy Namehana, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny famolavolana ny Drafitra Fampandrosoana ny Kaominina sy ny fanaovan-tsonia ny « Fifanaraham-piaraha-miasa » teo amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny Orinasa Business And Zeal Sarl (BNZ Sarl), izay nahazo ny tolotr’asa

Ny lanonana dia  natao teo ambany fiahian’Atoa Lehiben’ny Ditsrika Avaradrano sy ny Lehiben’ny Boriborintanim-panjakana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny sampandraharaha teknika isan-tsokajinysy ireo Hery velona rehetra eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Telo (3) volana no faharetan’ny asa.