Fanolorana foto-drafit’asa mafo lafy
Ho fanatanterahana ny VELIRANON’ny FILOHAM-PIRENENA ho fampandrosoana maharitra sy mirindra ho lovainjafy, dia nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny lalankely PHASE-III tao anatin’ny KAOMININA SABOTSY NAMEHANA izay Fokontany 7 no nahazo tombontsoa dia Andidiana, Ambohibary, Manarintsoa, Namehana, Antsofinondry, Antsahatsiresy, Beravina ; izay fiaraha-miasa tamin’ny fitondram-panjakana FRANTSAY sy ny fitondram-panjakana MALAGASY.
Nisy ihany koa ny zavabita ka nanolorana ny fanalahidin’ny tranon’ny mpiambina ny CSB-II sy ny fanatsarana ny zaridaina ary ny fanalehibeazana ny vavahady mba ahafahan’ny Ambulance miditra ao an-toerana.
Nanolotra izany ny Ben’ny Tanàna sy ny Filohan’ny Mpanolotsaina izay notronon’ny Lehiben’ny Boriborintany izay nisolotena ny Fanjakana teny an-toerana sy ny Lehiben’ny Tobim-pahasalamana ary ny Sefom-pokontany Andidiana.