Fankatoavana ny anton-isa sy antontan-kevitra ho enti-manatanteraka ny Drafitra Fampandrosoana
Notanterahana androany 05 martsa 2021 tao amin’ny Espace Etoiles de Neiges Sabotsy Namehana ny fankatoavana ny anton-isa sy antontan-kevitra ho enti-manatanteraka ny Drafitra Fampandrosoana ny Kaominina ato anatin’ny dimy (5) taona. Ka nisy ny asam-baomiera mahakasika ny fanadihadiana ny olana sy ny tanjaka ananan’ny Kaominina, ireo tetikasa isam-pokontany ary ny paik’ady sy ny tetikasa mifanaraka amin’ny Velirano 13, izay tetikasam-panjakana, tamin’ny fampandraisan’anjara ny ankolafin-kery rehetra ao amin’ny Rafitra Ifotony Fikaona-doha (SLC) sy ny Komity Fampandrosoana ny Fokontany (CDV) eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanàna,sy ny Filohan’ny Mpanolotsainan’ny Tanàna, ary ny Lehiben’ny Boriborintany
ny atrik’asa, ary ny avy ao amin’ny Business And Zeal Sarl (BNZ) izay mpanatanteraka ny drafitra fampandrosoana ny Kaominina.