FANKALAZANA NY NIVEREANAN’NY FAHALEOVANTENA
FANKALAZANA NY FAHA 56 TAONA NY NIVEREANAN’NY FAHALEOVANTENA
IZAY NOTANTERAHINA TETO AMIN’NY RENIVOHITRY NY DISTRIKA ANTANANARIVO AVARADRANO KAOMININA SABOTSY NAMEHANA NY 25 – 26 JONA LASA TEO
* * * * * * * * * * * *
Niantomboka ny Asabotsy faha 25 Jona ny fankalazana, izay nahitana “Podium”, nifandimbiasan’ireo Mpihira fata-daza, toy ny Tarika Ambondrona, Tarika Raimbilanja, Dahopp, Raboussa, Ejema, sy maro hafa koa!!
Anokatr’io dia nampifaly havanja ny vahoaka ny fanentanana nataon’i Francis Turbo, notohizana tamin’ny fandefasana Afomanga izay naharitra 30mn teo ho eo, taorian’izay dia nisy ny “Bal Populaire”, nahitana ny fahaiza-manao ny RIJA DJ
Ny andron’ny 26 Jona, niantomboka tamin’ny Fanomezana mari-bonihaitra hoan’ireo nahavita be teto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, notohizana tamin’ny Matso Lehibe ny Lanonana, izay nandraisan’ireo hery velona rehetra teto anivon’ny Distrika anjara, tao ny Fololoalindahy, ny Pôlisy Kaominaly, ny Kartie Mobily, ny Fampianarana, Ireo Mpanao Fanatanjahan-tena, ny Fikambanana samy hafa ( Mpikabary, ONG, …) Ny Mpiasan’ny Kaominina Sabotsy Namehana, Ny SKOTO Adventiste, Ny Fikambanana Avotraina,
Nandray anjara mavitrika tamin’izany ihany koa ny teo anivon’ny Distrika, ny Kaominina Ankadikely Ilafy, ny Kaominina Anosy Avaratra, Fikambanan’ny vadin’ny Pôlisy ny sy Pôlisy vavy,
Taorian’izay dia notohizana tamin’ny fiakarana an-tsehatra nifandimbiasan’ireo Mpihira ny lanonana, ka nahitana ny Tarika Koike, Jose SATOUBE, Raberanto, Tarika Tinondia, Sheilla,sy ny maro hafa koa!!
Ny Tarika FOU HEHY, no mpanentana tamin’izany
Narahina fandefasana afomanga lehibe izany, izay naharitra 60mn teo ho eo, ary nofaranana tamin’ny “ Bal Populaire”
Ny hetsika rehetra, dia azo narahina sy nojerena teto amin’ny tranon-kala ahitana ny Kaominina Sabotsy Namehana.