Fankalazana ny faha 40 taona ny Assurance Aro

Matotra ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny « Commune Sabotsy Namehana » sy ny tranom-piantohana ARO,  noho izany dia nosafidian’izy ireo manokana ny Kaominina hanatanterahana ny hetsika ara-tsosialy ho fankalazana ny tsingerin-taona faha 40 taona, izany dia ho tanterahina ao amin’ny « Maison de Charité Padré Pio » ao Antsofinondry ny Alakamisy 26 volana Novambra 2015 ho avy izao.

Manao tantsoroka amin’izany hetsika izany ihany koa ny Fikambanam-behivavy AVOTRAINA ,

Hetsika maro no entina hankalazana izany:

  • Fizarana « Kit Scolaire » mpianatra sembana izay karakarain’ny « Maison de Charité Padré Pio »
  • Fanomezana fanampiana hoan’ireo marefo arampivelomana ao anatin’ny fokontany 17 izay eto amin’ny Kaominina
  • Fizarana « Kit scolaire » hoan’ny mpianatra ao amin’ny EPP Andrefantsena

Ho faranana ny 29 volana Novambra ny hetsika fankalazana izay atao eto amin’ny Commune Sabotsy Namehana, ka hisy ny famaranana ady baolina kitra atao ao amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA, ka Omby mifahy no Amboara hiadiana amin’izany.

Ny hetsika rehetra dia eo ambany fiahin’Andriamatoa Ben’ny Tanana ny Commune Sabotsy Namehana