Fankalazana ny faha 40 taona ny Assurance Aro
Matotra ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny « Commune Sabotsy Namehana » sy ny tranom-piantohana ARO, noho izany dia nosafidian’izy ireo manokana ny Kaominina hanatanterahana ny hetsika ara-tsosialy ho fankalazana ny tsingerin-taona faha 40 taona, izany dia ho tanterahina ao amin’ny « Maison de Charité Padré Pio » ao Antsofinondry ny Alakamisy 26 volana Novambra 2015 ho avy izao.
Manao tantsoroka amin’izany hetsika izany ihany koa ny Fikambanam-behivavy AVOTRAINA ,
Hetsika maro no entina hankalazana izany:
- Fizarana « Kit Scolaire » mpianatra sembana izay karakarain’ny « Maison de Charité Padré Pio »
- Fanomezana fanampiana hoan’ireo marefo arampivelomana ao anatin’ny fokontany 17 izay eto amin’ny Kaominina