FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HOAN’NY RANO.
Raha ny isakin’ny faha 22 volana Martsa no andro maneran-tany hoan’ny rano, dia anio faha 28 volana Martsa 2018 kosa no natokan’ny Faritra Analamanga entina hankalazana izany ka tety amin’ny Distrika Avaradrano, eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, renivohitry ny Distrika no nanatanterahana izany.
Nosantarina tamin’ny DIABE namakivaky ny tanàna, izay niainga teo amin’ny CEG Sabotsy Namehana, ka nipaka hatrany amin’ny Kianja HERISETRA RAFANODINA, Diabe izay nandraisan’ireo hery velona rehetra anjara, nahitana ny Mpitsoka Mozika ny Tafika, Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Kaominina Anosy Avaratra, Kaominina Talatamaty, Kaominina Andoharanofotsy, Kaominina Anteroka, ny PSI Madagascar, ny Fikambanana Avotraina, ny SAMVA, Ireo sekoly maro eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, miankina sy tsy miankina, ary tsy hadino ny mpampiantrano dia ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Anisan’ny navoitra tamin’ny lahateny nifandiambiasana ny maha zava-dehibe ny fikajiana ny rano, ary adidy sy andraikitra tokony ho raisin’ny tsirairay izany. Tsiahivina hatrany moa fa ny teny filamatra nentina nankalazana izao andro maneran-tany hoan’ny rano izao dia “ Natiora voakolokolo, tahirin-drano voaaro”.
Anisan’ny nanamarika ity fankalazana ity ihany koa ny fanomezana ny loka hoan’ireo ankizy latsakiny 18 taona, nandray anjara atmin’ny fifaninana fanaovana sary ho fanentanana ho fikajiana ny rano.
Nofarana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta ny fotoana!!