FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY VEHIVAVY
Tao amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA, no nankalazan’ny teto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny andro maneran-tany hoan’ny vehivavy 08 martsa ny tontolo andro. Lanonana izay notarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanàna ANDRIAMOSA Avotraina, teo ambany fiahian-dRamatoa renin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara,notronin’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Avaradrano roalahy nombam-dady avy, ny Sefo Distrika Antananarivo Avaradrano sy ny mpiara-miasa aminy, sy ireo mpitondra fivavahana ary ireo olo-manakaja maro sivily sy miaramila.
Nisy ny Diabe (filaharana) nandraisan’ireo hery velona teto anivon’ny Kaominina anjara, niainga avy any amin’ny kianja filalaovam-baolina « Juventus, namonjy ny kianja Herisetra RAFANODINA tarihin’ireo mpitsoka mozika.
Natomboka tamin’ny fotoam-bavaka ny lanonana ka nofaranana tamin’ny lahateny nifandimbiasana, nandray anjara mavitrika tamin’izany ny solon-tenan’ny vehivavy teto Kaominina, nentina nandravahana ity lanonana ity ihany koa ny fanentanana samihafa, toy ny tonon-kalo, fijoroana vavolombelona, izay miompana indrindra amin’ny ady hatao amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.
Taorian’izany, dia nisy ny matso lehibe nandrasaisan’ny mpianatra, fiangonana, mpanao fanatanjahan-tena mpiasa, sy ny zandarimariam-pirenena anjara.
Tsipihina etoana, fa nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika rehetra ny Fikambanam-behivavy AVOTRAINA, izay teo ambany fitarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana
Narahina fitsidihana tranoheva misy ireo varotra fampiratiana ity hetsika ity, ary nofaranana tamin’ny seho an-tsehatra izay tena nampifaliavanja ny mponin’ny Kaominina Sabotsy Namehana