Fankalazana ny 26 Jona 2017
Teny amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy no nosafidian’ny Distrika Antananarivo Avaradrano ho toerana hankalazana ny Fetin’ny Fitsingerenan’ny Fahaleovan-tena tamin’ity taona 2017 ity.
Tonga nanatrika sy nitarika izany lanonana izany ny Lehiben’ny Distrika Avadrano, Ny Solom-bavam-bahoaka voafidy taty Avadrano, Ireo Ben’ny Tanana aty amin’ny Distrika, ary mazava hoazy fa nanatrika izany koa ny Ben’ny Tananan-tsika eto Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina Andriamosa
Toy ny fanao isan-taona dia nahitana ny matso lehibe, nandrasain’ireo Zandary, Pôlisy, Pôlisy Mônisipaly, Quartier Mobile, Mpandraharaha, Mpianatra, izany ary arahina ny fanomezana ireo mari-boninahitra isan-tsokajiny.
Notanterahina tamin’io ihany koa ny fizarana ny amboaran’ny « Tournoi Basket Ball »