Fandraisana vonjimaika (Réception Provisoire) ny lalana

Anio no natao ny fandraisana vonjimaika (Réception Provisoire) ny lalana izay namboarina teto Sabotsy Namehana, izay ao anatin’ny Tetik’asan’ny Filoham-pirenena.
 
Izany no natao dia hitsirihina ireo fanamboarana tsy maintsy hatao, ary nanamarinana raha mifanaraka amin’ny voalaza ao anatin’ny Bokin’andraikitra.
 
Tonga nanatanteraka izany fandraisana vonjimaika (Réception Provisoire) izany ny solon-tenan’ny Ministeran’ny Asa vaventy, Ny F.E.R ( Fonds d’Entretien Routier); ny Ben’ny Tanana Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina Andriamosa, ireo Injenera nisahana ny fanaraha-mason’ity tetik’asa ity, ary teo ihany koa ny Entreprise izay nanankinana tanteraka ny famitana ity asa ity dia ny entreprise Mino sy Fanomezana .
 
Miteny ho azy ny sary fa nofy ratsy tokoa sisa ireny lalan-dratsy taloha ireny !!