Fandefasana mivantana ny Lalao
Hisy ny fandefasana mivantana ny Lalao hifanandrianan’ny Ekipam-pirenena Malagasy BAREA sy ny Ekipam-pirenena Etopiana ny Alarobia amin’ny 4 Ora hariva izay hatao ao amin’ny « Salle Polyvalente » eto Sabotsy Namehana.
Marihina fa ireo olona 200 (ROAN-JATO) voalohany tonga ihany no ho azo ampidirina ao. Tsy maintsy manao aro-vava-orona, sy manasa tanana amin’ny rano famonoana mikraoba eo ivelany avokoa izay mikasa hanaraka an’izany lalao izany.
Izany no natao dia hiarahan-tsika miombom-po amin’ireo Maherifom-pirenena ireto.