FANAOVAN-TSONIA MISY EO KAOMININA sy NY FIKAMBANANA TAXI AVOTRA
Notanterahana teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, ny Alarobia 11 Oktobra 2017 ny lanonana fizarana lanterne vaovao ho an’ireo Taxi miisa 52 miasa eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Fiaraha miasa teo amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny Société Publi-Motion ary ny Fikambanana Taxi Avotra
Nisy ny fanaovan-tsonian’ny fifanarahana teo amin’izy telo tonta ireo.
Izao no natao, dia ho tombontsoan’ireo taxi manara-dalana miasa eto anivon’ny Kaominina sy ny manodidina ary ny be sy ny maro.