FANALANA NY FAKO

FANALANA NY FAKO
—————-
Ataon’ny fiadiadian’ny Kaominina vaindohan-draharaha ny fanesorana ny fako eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, satria tsampa sy hita fa mivangongo ny fako eto amin’ny kaominina, ary fantatra fa tsy ny mponna eto amin’ny kaominina ihany no manary fako eto fa misy ihany koa ireo ivelany kaominina.
Noho izany dia nanampan-kevitra ny fiadidian’ny tanana, tarihin’Andriamatoa Ben’ny tanana, Avotraina Andriamosa fa hanala izany.
Fiarabe mpanalafako miisa 4 miampy fiara manokana fanalana fako no nohetsehina tamin’izany.
Manentana ny tsirairay mba samy hanary ny fako amin’ny toerana voatokana amin’izany.
Tanana madio, milamina ary hanjakan’ny fahasalama ny vahoaka ao aminy no tanjona, hoy ny Ben’ny tanana raha nanontaniana ny tenany!