FANADIOVANA FAOBE

Ho famongorana ny fiparitahan’ny loto sy hisorohana ny areti-mifindra mety hitranga, dia niroso tamin’ny fanatanterahana fanadiovana faobe omaly ny Kaominina Sabotsy Namehana. Tamin’ny alalan’ny asa tana-maro na ny HIMO no hanaovana ny hetsika ka olona 100 no nahazo tombontsoa izay mandray 5 000 Ar isan’olona.
 
Niratika izany ny Ben’ny tanana Andriamatoa Avotraina Andriamosa sy ireo mpiara miasa aminy.
 
Isan’ny nodiovina tamin’izany ny tsena, ny lakan-drano rehetra, ny lalanan … Tanjona ny hametrahana ny dinan’ny fahadiovana  » Code de l’Hygiène ». Eo ihany koa ny hifehezana sy hitaizana ny olona tsy hanarinary fako sy ranon-dolana ary hanao maloto eny an-dalambe.
 
Aorian’izao hetsika izao, dia hisy fepetra horaisina ho an’ireo izay tsy manara-dalana mba ho hitsinjovana ny fahadiovan’ny tanana.
 
« tsy avotro izaho samirery ny fanadiovana ny tanana fa ho avotro izaho sy ianao »