Tsy navelan’ny Kaominina Sabotsy Namehana nandalo fotsiny ny andro nasionaly natokana amin’ny fanadiovana faobe.
 
Notanterahina izany ny Alarobia 10 Janoary 2018 lasa teo, ka teny amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy no natao ny Fanadiovana faobe teto amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano niarahana tamin’ireo tomponandraikitra rehetra, sivily na miaramila, mpiasam-panjakana na olon-tsotra
 
Rehefa izany dia nanatanteraka ny anjarany ihany koa ny Kaominina Sabotsy Namehana, ary noezahina nodiovina ny Fokontany misy ato amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.
 
Izay rehetra nanadio, dia samy miombom-po ary milaza fa antoky ny fampandrosoana maharitra ny fahadiovana, izay mitarika mankany amin’ny fasalamana.