Fampianarana Teny Anglisy

Androany 06 oktobra 2023 tamin’ny telo ora tolakandro tao amin’ny “salle de reunion” Kaominina Sabotsy Namehana no notanterahana ny fivoriana niarahana tamin’ny fikambanana Youth Light of Future Madagascar (YLFM) sy ireo mpiantra hiofana hianatra teny Anglisy Amerikanina.

Tonga nitarika izany fivoriana izany ny Ben’ny tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana Andriamatoa ANDRIAMOSA Avotraina sy ny avy ao amin’ny fikambanana Youth Light of Future Madagascar (YLFM) izay notarihan’ny filohany RAMILIARIMANANA Feno Sitraka, izay nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika ity fampianarana teny vahiny ity.

Ity fampianarana teny vahiny ity dia haharitra efa-bolana (4 mois) izay mianatra in-droa isan-kerinandro (Alarobia sy Sabotsy), aorian’izany dia hisy ny adina am-bava sy an-tsoratra ka aorian’izay dia hisy fizarana “Attestation”.
Tiana ny manamarika fa manao tan-tsoroka sy mandray anjara amin’ny fanampiana an’ireo mpiofana ireo ny Kaominina.

Fantatra fa hanomboka ny 11 Oktobra 2023 izao ny fampianarana izay tanterahana ao amin’ny MASCA.