FAMORANA FAOBE 2021

Zazalahy kely miisa 150 eo ho eo no noforaina maimaim-poana teto amin’ny Commune Sabotsy Namehana
Ankoatra ny famorana; dia nisy ihany koa ny fizarana kilalao hoan’ireo zazalahy kely ireo
Toko telo nahamasa-mahandro tamin’izany ny Docteur BARINIAINA Fidy, Ny Commune Sabotsy Namehana
, ny Fikambanam-behivavy AVOTRAINA, ary ny Fikambanana MPIKITRA.
Marihina hatrany fa nanaja ny fitandrovana ny hamehana aram-pahasalamana hatrany ity fanaovana ny famorana ity. Olona iray isaky zaza hoforana no miditra ato anaty efitrano, tsy maintsy manao aro-vava-orona, tsy maintsy mampiasa ny ranoka famonoana mikiraoba, ary indrindra fa manaja ny elanelana 1metatra.
« Aza ela fery dia arahaba ririnina «