FAMORANA FAOBE 2021

FAMORANA FAOBE 2021
*****
Araka ny efa notanterina teto, dia mbola mitohy anio Zoma 14 Aprily 2021, tao amin’ny « Salle Polyvalente Sabotsy Namehana » ny fanatanterahina ny « Famorana faobe 2021 »
Tsipihinay sy marihina hatrany, fa notandrovana tahaka ny anakandriamaso ny fanarahana sy fanajana ny lamina hamehana aram-pahasalamana.
Izao no natao, dia entina indrindra hanampiana an’ireo ray aman-drenin’ireo zazalahy kely mbola tsy voafora eto anivon’ny Kaominina.
Raha tsiahivina moa dia tantsoroka teo amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny Dokotera Fidy BARINIAINA, ary nampian’ny Fikambanana AVOTRAINA sy ny MPIKITRA no angady nanana sy vy nahitana an’izao fanampiana izao.
—- AZA ELA FERY e!! —-