FAMORANA FAOBE 2016
FAMORANA FAOBE 2016
* * * * * * * * * * * * * * * * * *
Zazalahy kely miisa 108 no indray natao didipoitra faobe teto amin’ny CSB II Sabotsy Namehana, ny 20 Mai 2016 lasa teo
Izany no natao dia nentina nanampy ny ray aman-dreny amin’ny fampitana ireo kilongalahy kely eto amin’ny Kaominina
Izao hetsika izao no tontsosa dia vokatry ny tantsoroka nataon’ny Dr Fidy BARINIAINA,
Tsy nody maina kosa ny zaza rehefa vita ny famorana fa nisy ny fizarana kilalao sy mofomomamy, izay natolotry ny Fikambanana « Avotraina » sy ny
Fikambanana Mpanao Fanatanjahantena MPIKITRA
Tonga nankahery sy nirary soa ireo ankizy ny Ben’ny tanana, sy ny Filohan’ny Mpanolon-tsaina ny Tanana
« AZA ELA FERY E! »