FAMOAHANA MPIANATRA
Ny faha 11 volana Mey 2018 lasa teo no navoaka ny andiany iray mihira tao amin’ny Sekoly Ambony miorina eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, Distrika Avaradrano, dia ny Sekoly MASCA
Mpianatra miisa 37 mianadahy ity andriany indray mihira ity, izay voatsinjara ao anatin’ny lalam-piofanana 3 samy hafa
– 22 Mianadahy nanaraka lalam-piofanana Paramedicale
– 04 Mianadahy nanaraka ny lalam-piofanana Communication
– 09 Mianadahy nanaraka ny lalam-piofanana Agronomie
Tonga nanome voninahitra izany famohana mpianatra izany ny Sekretera Jeneraly miadidy ny fampianarana sy ny fiofanana ara Teknika, ny Tale Fampioroboroboana ny Fasahalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana, Ny Tale Jeneralin’ny GUANOMAD eto Madagasikara
Tonga nanotrona izany ihany koa ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa AVOTRAINA Andriamosa;
Izay rehetra nandray Fitenenana dia samy niaiky fa hery sy fahatra ifikiran’ny fampandrosoana ny firenena ny fanabeazana, indrindra fa ny fifehezana ny hay ara-teknika.
Raha hiverenana kely ny momba ity Sekoly Ambony miorina eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, Distrika Avaradrano ity (MASCA) dia efa manaraka ny fenitra LMD ny fampianarana, eken’ny Fitondram-panjakana Malagasy ny Diplaoma omena, ary manana ny lenta sy lanja mitovy, izay avoakan’ny Ministerany asa sy asam-panjakana.