FAMETRAHANA VATOFOTOTRA PRESCOLAIRE
FAMETRAHANA VATOFOTOTRA PRESCOLAIRE
*****
Natao ny 02 Desambra 2020 ny Fametrahana vatofototra fananganana Prescolaire tao amin’ireto Sekoly Fanabezana Fototra ireto :
– EPP Soaniadanana
– EPP Ambohinaorina
Ny KOZAMA ( Kolo Zaza Malagasy) no tompon-kevitra amin’izany sy mpanohana, ary ny a#Telma sy ny #Axian no mpamatsy vola.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany fametrahana vatofototra izany ny Fiadidian’ny Kaominina eto Sabotsy Namehana, Izay notarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Kabinetra.
Maro ihany koa ireo Mpanabe, Talen-tsekoly, izay notarihin’ny Chef ZAP eto Sabotsy Namehana nanatrika ity fotoana ity.