FAMETRAHANA VATO FOTOTRA IVON-TOERANA FAMPIOFANANA

Notanterahina androany 07 Desambra 2017 ny FAMETRAHANA VATO FOTOTRA IVON-TOERANA FAMPIOFANANA NY VEHIVAVY eto amin’ny Distrika Avaradrano, izay natao teto amin’ny Fokontany Antsofonondry, Kaominina Sabotsy Namehana.
 
Ivon-toerana izay natao indrindra handratoana fahalalana, sy fampiofanana ny vehivavy eto anivon’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, ary hahazo tombontsoa amin’izany ny mponina eto amin’ny Commune Sabotsy Namehana.
 
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity lanonana fametrahana ny vatofototra ity ny Minisitry ny Fampananan’Asa sy Fampianarana ary Fanofanana amin’ny Asa aman-draharaha – Ramatoa TOTO Marie Lydia, notronin’ireo olo-manakaja ivily sy Miaramila eto amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, nahitanany Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina Andriamosa, Ny Somobavambahoaka ny Distrika Antananarivo Avaradrano,
 
Marihina fa haharitra (06) volana eo ho eo ny faharetan’ny fananganana ity Ivon-toeram-pampiofanana ity.
 
Izay rehetra nandray fitenenana dia samy nanamafy fa tena fanoitra amin’ny fampandrosona ny fampiofanana arak’asa.