Fahatsiarovana ny tolona natao hoan’ny fahafahana ny 29 Martsa 1947
Toy ny fanao isan-taona, dia nahatsiaro sy nankalaza ny fitsingerenan’ny fahatsiarovana ny tolona natao hoan’ny fahafahana ny 29 Martsa 1947 ny Kaominina Sabotsy Namehana.
Teo amin’ny tsangambaton’ireo maherifom-pirenena, manoloana ny Biraonn’ny Kaominina no nanatanteraha izany lanonam-pahatsiarovana izany, notarihin’Andriamato Lehiben’ny Distrika Avaradrano,Ny solombavam-bahoaka voafidy tety an-toerana, Ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana, notron’ireo manam-boninahitra maro sivily sy miaramila.
Nanditra izany no nanolorana mari-boninahitra ny Bekotro maroholatra izay tapa-porohona sisa tsy may mbola velona ankehitriny.
Taorin’izany dia nisy ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny Tsangambaton’ireo Mahery fo.