Drafitra Fampandrosoana ny Kaominina

Tontosa  androany 18 Martsa 2021 tao amin’ny Espace Etoiles des Neiges, Sabotsy Namehana, ny fanoloran’ny Orinasa Business And Zeal Sarl (B&Z Sarl) tamin’ny fomba ofisialy ny “Drafitra Fampandrosoana ny Kaominina” (PCD) sy ny fanaovan-tsonia ny fanamarinana ny fandraisan’ny Kaominina ireo boky miisa roa sy kapila mangirana roa mirakitra izany. Naharitra efa-bolana sy dimy andro ny fanangonana sy fandrafetana ny antontan-kevitra sy antontan’isa.

Ny lanonana dia natao teo ambany fiahian’Atoa Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano sy ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Sabotsy Namehana, ary ireo mpikambana ao amin’ny Mpanolotsaina Kaominaly, natrehan’ireo tompon’andraikitry ny Sampandraharaha teknika isan-tsokajiny sy ireo Rafitra Ifotony Fikaonan-doha (SLC) ary ny Komity Fampandrosoana ny Fokontany (CDV) eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, ary indrindra ireo mpiara-miombon’antoka izay notoloran’Atoa Ben’ny Tanàna fisaorana sy fankasitrahana manokana tamin’ny fanohanana nataon’izy ireo ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Vita iny ny toro-lalana entina miasa izay manan-kery ao anatin’ny dimy taona fa ny fanatanterahana ny tetikasa mifandraika amin’ny velirano 13 indray izao no laharam-pahamehana ho an’ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanatanteraka eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana.