Commune Sabotsy Namehana & Baobab Banque
Anio tao amin’ny Etoile de Neiges, eto amin’ny
Commune Sabotsy Namehana
no notanterahina ny famelabelarana nataon’ireo Tompon’andraikitra eo anivon’ny Baobab Banque mahakasika ny tolotra hataon’izy ireo.
Tonga nanatrika izany ireo Mpandraharaha maro eto anivon’ny Kaominina, ary hita fa samy liana amin’izay tolotra izany avokoa ny ankabeazan’izy ireo.
Raha nandray anjara fitenenany ny Ben’ny Tanana Andriamatoa ANDRIAMOSA Avotra, dia nanambara fa mamelona ny Kaominina ny fisian’ireo Mpandraharaha ireo, ka tokony harovana amin’ny fihariana izay hataony.
Misy ny fametrahana fanontaniana, ka anisany nisondagina tamin’ny izany hoe » Inona no tombontsoa raha miroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Baobab Banques ny Mpandraharaha iray »