CFP Antsofonondry, Sabotsy Namehana

Noho ny fiaraha miasa misy eo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’Asa sy ny Kaominina Sabotsy Namehana ary ny Centre de Formation Professionnelle pour les Femmes ao Antsofinondry, dia nisy ny fizarana mari-pahaizana momba ny fiofanana “Patisserie et Viennoiserie”, ho an’ireo tovovavy sy zatovolahy ary renim-pianakaviana miisa 68 eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina, izay notanterahana ny Zoma faha-21 Mai 2021 tao amin’ny Résidence Miantsoarivo-Soavinimerina.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany Rtoa Zoly Volahanta RAVELOSON, Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’Asa eto Analamanga, Atoa ANDRIAMOSA Avotraina, Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Sabotsy Namehana ary Rtoa VALSIN LECOUREUR Johanita Marie,Talen’ny Foiben’ny Fampiofanana ao Antsofinondry.
Nankasitraka ny Ben’ny Tanàna ireo mpahazo tombontsoa tamin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanampiana ny vahoaka mba ahafahan’izy ireo mamorona asa sy mivelona ary mivoatra amin’ny fiainana.