CENTRE D’ECOUTE SABOTSY NAMEHANA
Efa nisy, ary misy « CENTRE D’ECOUTE » eto anivon’ny Commune Sabotsy Namehana, natao indrindra izany hitondrana ireo fitarainana mahakasika ny fanararaotana atao amin’ny zaza tsy ampy taona, sy ireo niharan’ny herisetra.
Marihina hatrany fa maimaim-poana, gratosy !! hoy ny fitenin-jatovo ny asa rehetra atao ao.
Azonao hatao koa anefa ny miantso maimaim-poana ny : 147 raha misy tranga mifandraika amin’ny fanararaotana atao amin’ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy ianao.
Tsarovy fa voarakitra ho tsiambaratelo avokoa ny resaka hifanaovanao sy ny tompon’andraikitra misahana an’zany.