Ben’ny TANANA SABOTSY NAMEHANA | TSY NANADINO NY VAHOAKA SAHIRANA
Amin’ny vanin’andro asaramanitra tahaka izao, dia tsy manadino ny Vahoakan’i Commune Sabotsy Namehana ny Ben’ny Tanana Andriamatoa Avotraina Andriamosa. Nohon’ny tsingerin-taona fankalazana ny faha 58 taon’ny fahaleovantena sy ny foloalindahy; dia nisy ny hetsika notarihany ho fampifaliana ireo Mponina sahirana teny antoerana ny Zoma 22 Jona 2018 lasa teo. Tamin’ny alalan’ny fanolorana nofon-kena mitam-pihavanana ho azy ireo teo amin’ny tokotany malalakin’ny « Etoile des Neiges » no nanamarihana izany.
Tao anatin’izany koa no nisy fiaraha-misakafo niarahana tamin »‘ireo olona 2000 izay nisitraka ny fanomezana natolotra.
Marihina fa anisan’ny nanohana mavitrika ny hetsika rehetra natao teny amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA mivady.
Oham-pitenenana ny hoe « Malaza avy any Namehana ka tsy nitondra voasary ho anjaza »
Izany indrindra no nanolorana fotsimbary sy ny Biscuits hoan’ireo zokiolona ary harendrina ho an’ny ankizy ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana