ATRIK’ASA HO FAMETRAHANA NY FIKAONAN-DOHA IFOTONY (SLC)

Notanterahina androany faha 24 May 2017 ny ATRIK’ASA HO FAMETRAHANA NY FIKAONAN-DOHA IFOTONY (SLC) sy FAMOLAVOLANA NY DRAFITR’ASA eto amin’ny KAMONINA SABOTSY NAMEHANA

Tonga nanokatra izany tamim-pomba ofisialay ny Lehiben’ny Distrika Avadrano, ny Tale misahana ny Fifandraisana eo amin’ny (ONCD) Ramatoa Sahondra RAKOTOMALALA, ny Ben’ny Tanana ny Kaominina Sabotsy Namehana, Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA

Miisa 49 mianadahy, mianaka ireo niatrika ity atrik’asa ity, izay nahitana sokajin’olona samy hafa!

Nozaraina « Collège » 10 ireo niatrika ny atrik’asa ka nahitana ny, Collége moa no iantsoana azy, izay mitovy asa amin’ny « vondrona » :

  1. Collège Fampianarana
  2. Collège Fivavahana
  3. Collège Fokontany
  4. College Fandriampahalemana
  5. Fikambanam-behivavy
  6. Fikambanan’ny Zoky Olona
  7. Fikambanan’ny Tanora
  8. Fanatanjahan-tena
  9. Mpandraharaha
  10. Rano fidiovana sy fahadiovana

Tanjona tamin’ity atrik’asa ity ny fampandraisana anajara ifotony ny rehetra amin’ny fampandrosoana ny Kaominina ny fandrafetana ny drafitr’asa iombonana