atrik’asa fandrafetana paik’ady sy drafitr’asa entina hanantsarana ny fanetsehana ny loharanom-bola anatin’ny ny Kaominina Sabotsy Namehana

Anio no notanterahina ny :
 » atrik’asa fandrafetana paik’ady sy drafitr’asa entina hanantsarana ny fanetsehana ny loharanom-bola anatin’ny ny Kaominina Sabotsy Namehana »
Tanjona amin’izany
– Fanolorana tolok’hevitra fanantsarana ny fidirambola
– Famaritana miaraka ny tanjona tratrarina
– Fantatra ireo antony mahatonga ny tsy fahombiazana
Tompon’antoka tamin’ity atrik’asa ity ny ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy ») , ary nanao tantsoroka tamin’ny ny ProDéCID (ProDéCID : Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation)
Nanatrika sy nitarika ity atrik’asa ity ny Ben’ny Tanana, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny Filohan’ny Mpanolontsain’ny Tanana, sy ireo Mpanolon-tsain’ny tanana, ny avy eo amin’ny fahasalamana, ny avy eo amin’ny fokontany.