ATRIK’ASA FAKAN-KEVITRA

Io maraina io no notanterahina teto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny Atrik’asa fakan-kevitra mba hananganana drafitr’asa hisitrihan’ny olona manana fahasembanana ny fotodrafitr’asa rano fidiovana – fanadiovana, eto Sabotsy Namehana.

Tonga nitarika an’izany  Andriamatoa  Mr RAMBELOSON Hery Clément, izay « Membre Comuté Directeur  National  PFPH\MAD » , tonga nanotrona izany ohany koa ny avy ato amin’ny Commune Sabotsy Namehana, notarihin’Andriamatoa RAKOTONANAHARY Théophile, Sekretera Jeneraly ny Kaominina, ary ireo Mpikambana ato anatin’ny Fikambanan’ny olona manana fahasembana eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.