Arabaina nahatratra ny Taona 2017
Ny Alarobia 04 Janoary 2017, lasa teo no natao ny lanonana ho marika ny fandraisana ny taona vaovao teto anivon’ny Commune Sabotsy Namehana
Tonga nanontrona izany ireo olo-manan-kaja ambony Sivily sy Miaramila eto amin’ny Kaominina,
Satria avy amin’Andriamanitra no nahazoana izao Taom-baovao izao, dia rariny loatra raha nisy ny fotoam-pivavahana izay notarihan’ny Ny Pastora RAKOTOARIMANANA Haja Rolland sy ny Pastora RAZAFITSIAMBARA Morasata nitrotroana am-bavaka ny fotoam-piasana 2017 eto amin’ny Kaominina.
Ny tenin’Andriamanitra nentina nifankaherezana tamin’ny dia ny Salamo 32 : 08 » Hanome Saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; Hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho »
Nandritr’izany ihany koa no nifampirariantsoa ho taon-jina sy feno fahombiazana hoan’ny rehetra ity taona 2017 ity.
Tsy nohadinoana ihany koa ny fanolorana ny « solom-bodiakoho » hoan’ireo ray aman-drenin’ny tanana.