Anjara Hetrako | Fanomanana
Tao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana no nanatanterahan’ny Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Hetra eto Avaradrano “A” sy ny mpiara-miasa aminy ny fanentanana sy fampahafantarana ny hetsika “Anjara Hetrako” tamin’ireo Ben’ny Tanàna sy Lehiben’ny Fokontany tao amin’ireo Kaominina 9 ato anatin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano, teo ambany fiahian’ny Lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano.
Ny tanjon’ny hetsika dia ny mba hampidirana anatin’ny sehatry ny ara-dalàna sy ny fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy ary ho azo eo noho eo ny karatra patanty.
Haharitra efatra andro io hetsika fidinana ifotony io araka ireto tetiandro ireto ary samy manomboka amin’ny 8 ora maraina.
– ny 9 sy ny 10 Desambra 2020, eo anoloan’ny Biraon’ny Kaominina Sabotsy Namehana
– ny 11 Desambra 2020, eo amin’ny Arrêt bus 163 Ankadikely
– ny 14 Desambra 2020, eo amin’ny Arrêt bus 109 Ambohitrarahaba.
Ireto avy ny antontan-taratsy ilaina amin’izany :
– Vola 16.000 ariary
– Karapanondro (CIN)
– Fanamarinam-ponenana (Certificat de Résidence)
Koa entanina isika vahoakan’Avaradrano fa ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady.