ALLIANCE FRANCAISE SABNAM

Tafapetraka soa aman-tsara eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, ny annexe–ny “Alliance Française, izay ahitàna ny fampianarana manoratra sy miteny frantsay ary koa ireo sehatra maro isan-karazany ara-tsosialy.

Araka izany dia notanterahana ny Alakamisy faha-12 Jolay 2018 ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana, ny “Alliance française” ary ny Fikambanana “Les Enfants de l’Ovale”. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana Rtoa Véronique VOULAND ANEINI Masoivohon’i Frantsa miasa sy monina  eto Madagasikara, ny Ben’ny Tanàna’I Sabotsy Namehana Atoa ANDRIAMOSA Avotraina, , ireo tompon’andraikitra ao amin’ny “Alliance française” ary Rtoa Filohan’ny Fikambanana “les Enfants de l’Ovale”.

Marihna fa Rtoa Filohan’ny Fikambanana dia mitaiza sy manabe ara-panatanjahantena ny tanora eto amin’ny faritra Avaradrano sy ny manodidina, izay nisaoran’Atoa Ben’ny Tanàna azy manokana. Hisitraka ny tombotsoa azo avy amin’izany fivelaran’ny toeram-pampianarana sy fitaizana izany ny mponina eto Sabotsy Namehana sy ny manodidina. Ny fampianarana dia hanomboka ny Alatsinainy faha-23 Jolay 2018 izao ary efa misokatra ny fisoratana anarana.

Koa manentana sy manao antso avo ho an’ny zanak’Avaradrano sy ny manodidina