AKON’NY 08 MARTSA 2019
Nankalaza ny andron’ny 08 Martsa ny Kaominina Sabotsy Namehana, hetsika maro no nentina nanamarihana izany, toy ny :
– Fotoam-pivavahana- Filaharam-be narahina hetsika maro loko- Fifaninana lalao atam-panatanjahan-tena- Fambolen-kazo- sy ny maro hafa koa
Nitarika izao fankalazana izao, ny vadin’Andriamatoa Ben’ny Tanana Ramatoa Kasaina ANDRIAMOSA, nahitana ny vadin’ireo sivily sy miaramila eto amin’ny tanana.
Tonga nanome vonihaitra izany koa ireo olo-be eto amin’ny Kaominina; ary ny mpianatra sy ny fikambanana samy hafa.
Nizara telo ny fandaharam-potoana :
- Ny tapak’andro maraina : nosokafana tamin’ny fitsidihana ireo varotra fampirantiana nokarakarain’ny Fikambanana Avotraina sy Ny Salohy ny fankalazana, narahana fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana izay natao tao amin’ny Fiangonana FLM Ebenezera. Nitohy tamin’ny diabe. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fambolen-kazo ka zana-kazo miisa 500 no novolena tamin’izany. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo (nofon-kena mitam-pihavanana) tao amin’ny Maison de Charité Padre Pio (MCP) Antsofinondry ny hetsika. Ny mpitsoka mozika no nanafana hatrany izany hetsika rehetra izany.
- Ny tapak’andro hariva : Famaranana lalao baolina kitra vehivavy tao amin’ny Kianja Herisetra Rafanodina, izay nifandrihanan’ny AC Sab Nam sy ny ASOT Analamanga, ka niondrika teo anatrehan’ny AC SabNam tamin’ny isa iray (1) noho aotra (0) ry zareo ASOT.
- Ny 09 Martsa 2019 tamin’ny 2 ora tolakandro kosa indray dia nisy ny ady hevitra (débat) narahana fampisehoana isan-karazany nataon’ireo Fikambanana tao amin’ny Sekoly MASCA Sabotsy Namehana. Ny avy ao amin’ny Trano Aro Zo (CDA) no nanao ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny zo sy ny anjara andraikitry ny vehivavy amin’ny asa fampandrosoana.