AC SAB NAM : NORAISINA TAMIN’NY FOMBA MAKOTROKOTROKA

Tsy nataon’ny vahoakan’i Sabotsy Namehana ambanin-javatra ny fandraisana ny maherifony, izay tafaverina eto Antananarivo, rehefa avy nandrombaka FANINTELONY ( ny taona 2014 – ny taona 2015 – ny taona 2016) ny amboara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2016, hoan’ny sokajy Diviziona voalohany vehivavy, izay notanterahina tany Mahajanga, tamin’ny 01 Novambra 2016 teo.

Nanomboka hatreo amin’ny Boulevard de l’Europe Ankazomanga ny fitsenana, izay noraisin’ny mpitsoka mozika sy narahin’ny fiarakodia marobe, ka tsy nijanona raha tsy tany anoloan’ny Biraon’ny Commune Sabotsy Namehananisian’ny lampihazo nanaovana ny kabary nifandimbiasan’ny manampahefana tany amin’iny faritra Avaradrano iny.

Momba ny fanomanana an’iny fifaninana iny, dia nomarihin’nAndriamatoa Ben’ny Tanana Andriamatoa Avotraina Andriamosa fa  » Mafy dia mafy ny fanomanana an’iny andiany fahafito tamin’ny fiadiana ny tompondakam-pirenena 2016 iny. Teto amin’ny Ligyn’Analamanga izahay dia tafiditra tamin’ny laharana fahatelo, nohon’ny fitahian’Andriamanitra sy ny ezaka nataon’ny ankizy dia azo ihany ny amboaran’i Madagasikara. Izany no natao dia fanomezana lanja ny baolina kitra eo anivon’ny fiadidiana ny Kaominina. Faharoa, tsy nanamaivana ny ezaka nataon’ny mpanazatra sy ny mpilalao izahay, Fahatelo dia mba fantatry ny olona ny fisian’ny Kaominina na dia aty ambanivohitra aza. Tsy ny fampandrosoana ihany no iantsorohana fa eo ihany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena izay hifaneraserana amin’ireo Kaominina Rahavavysy ny faritra misy eto amin’ny tany sy ny firenena »

Tsy asiana sasin-teny sy fanazavana lavabe ny fanmbarana nataony, fa ampy hoeritreretin’ny mpitantana ny tanana rehetra nany firenena mihintsy; Rehefa mandroso ny taranjam-panatanjahantena (iray na roa fotsiny) dia fata-daza mazava ho azy ny vohitra/ faitra/ firenena