Famatsian-drano eto SABOTSY NAMEHANA

Nohon’ny faharitran’ny Renirano Imamba, izay renirano hanovozoana sy hamatsiana ny rano eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina , dia misy ny fizarana rano tanterahin’ny Orin’asa JIRAMA eto amin’ny Kaominina.
Marihina fa vahaolana fohy ezaka ihany izao, fa andalam-pitadiavana vahaolana lavitr’ezaka ity orin’asa ity.
Hahararaotina ihany ny manao fanentanana amin’ny hikajian-tsika an’iny Renirano i Mamba iny, ary indrindra ny tsy hanaovana maloto aminy fa iny no sotron-tsika mianakavy ety amin’ny Kaominina.