BUS SCOLAIRE eto amin’ny Kaominina

Hanomboka ny Alatsinainy 13 Septambra 2021 ho avy izao, dia hiasa ny BUS SCOLAIRE eto amin’ny Kaominina misy antsika.

06Lalana andalovan’ny Bus scolaire

Maraina :

Ora fiaingana 6: 00 : Miainga eto Commune Sabotsy Namehana mankany Ambatofotsy, tonga any Ambatofotsy amin’ny 6:30mn

Miainga eo Ambatofotsy miverina Namehana amin’ny 7:00

Miala Namehana miverina mankaty amin’ny Kaominina ary mizotra mankany Ambatofotsy, miala Ambatofotsy tonga eto amin’y Biraon’ny Kaominina, nony avy eo mankany Antsofonondry

—-

Hariva :

Miala any Antsofonondry amin’ny 04 tolak’andro, mankany Namehana, miverina eto amin’ny Biraon’ny Kaominina, mizotra mankany Ambatofotsy, ary dia miverina eto amin’ny Biraon’ny Kaominina indray.

—-

Hoan’ireo izay mila fanazavana fanampiny, aza misalasala miantso ny +261 34 84 482 34 na manorata : contact@sabotsy-namehana.com