Batsirai : nihena ny heriny, tsy miova ny lalany

Any amin’ny 683 km Atsinanan’i Ambila Lemaitso ilay rivodoza Batsiray tamin’ny 9 ora teo. Nahitana fihenana ny heriny satria 165 km/ora ny rivotra entiny ary 235 km/ora ny tafiotra (raha195 km/ora sy 275 km/ora izany tamin’ny 8 ora sy sasany teo). Mbola manohy ny diany manantona an’i Madagasikara hatrany ilay rivodoza (8km/ora ny hafangainam-pandehany) ary […]