20 mirahalahy no indray nohetsihina

20 mirahalahy no indray nohetsihina handraraka DDT manerana ny FKT 17 eto anivon’ny Kaominina Sabotsy Namehana, nanomboka ny Alarobia 18 Oktobra 2017 lasa teo. Izany no natao dia mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Peste ety amin’ny Kaominina sy ny manodidina, marihina hatrany aloha fa mbola tsy nitrangana ity valan’aretina ity tety amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Napetraka eto amin’ny Kaominina ihany koa ny « Centre de dépistage » handraisana ny olona izay maniry no hozahana fahasalamana. Maimaim-poana izany rehetra izany.

Izany rehetra izany dia hotohizana amin’ny asa-tanamaro ( HIMO) manomboka ny Alakamisy 26 Oktobra 2017 ho avy izao.