MPIAVA : Nivoaka ny “Andia Raharimanana”,
Toy ny fanao isan-taona, dia tamin’ny Alahady 23 Oktobra 2016 no namoahana tamin’ny fomba ofisialy teo anivon’ny MPikabary Iarivo AVAradrano (MPIAVA) ireo mpianatra kabary “Andia Raharimanana”, izay notontosaina tao amin’ny Akany Fanomezana Ankadikely Ilafy.
Nanome voninahitra izany lanonana izany Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Arivonimamo, Faritra Itasy. Andriamatoa ANDRIAMOSA AVOTRAINA, Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Sabotsy Namehana, sady Filoham-boninahitry ny MPIAVA, Ireo solotenan’ny Ben’ny Tanàna Kaominina Ambonivohitra Imerintsiatosika, Ramatoa Filohan’ny FIMPIMA Manerantany ary Andriamatoa Filohan’ny FIMPIMA, Faritany Antananarivo.
Koa satria efa nahazo ny mari-pahaizana teo anivon’ny FIMPIMA izy ireo, dia mari-pitozoana no natolotra azy 66 mianadahy teto anivon’ny MPIAVA, ka taninketsa 6, mpiofana 48 ary takalo 12.
Nandritra izany ihany koa no nanoloran-dRamatoa Filohan’ny FIMPIMA Manerantany sy Andriamatoa Filohan’ny FIMPIMA Faritany Antananarivo, mari-pahatsiarovana sy lamban’Andia ho an’ny taranak’i RAHARIMANANA.